Akany Fiadanantsoa : vitasoa ny vovondrano

Akany Fiadanantsoa : Vitasoa ny vovondrano ho an'ny akany sy ny vahoaka.

Anketraka, Ambohimahavelona, Tuléar. Akany Fiadanantsoa : vovondrano vitasoa ho an’ny akany sy ny vahoaka. Isan’ny asa henjana sy sarotra ity fanaovana ny vovondrano ity fa vita soa aman-tsara efa ho 1 volana mahery izay.

Misaotra bevata an’i Virna Rakotonirina sy ny Fondation UBI any Italie namatsy ara-bola. Misaotra ny fikambanantsika MNG-MIP nanatontosa : Foibe, coordinateurs atsimo, mpanabe Anketraka, maçons, olona nanome ny tany misy ny loharano, ny tompon’ny fiara nampidina ny frais satria 60 kms eo n’y lalana, ny vatan-dehilahy ao Anketraka, ny mpangady ny vovo, ny mpivarotra buses ao Toliara. Any @ 6 metatra no nahita rano ka nolavahana t@ angady. Misotro rano madio ny akany sy vahoaka @ zao fotoana izao ary tsara ambina ny vovondrano. Misaotra an’Andriamanitra fa lehibe ny Fitiavany ary manao zava-mahagaga ho an’ny olona kere sy sahirana izy @ alalan’ny mpanaosoa sy ny mpanabe. Bravo et merci pour ce puits d’eau potable à Anketraka, construit il y a déjà 1mois et demi.

Articles associés

Laisser un commentaire